Nodorana tao amin'ny fokontany Ampasy ny rongony milanja 255 kilao mahery. Nanatrika izany ny lefitry ny prefen'i Morondava sy ny komandin'ny Kompanian'ny Zandarimaria, Capitaine Ramaroson Andriamanalina, ny 11 janoary teo, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Nanentana ny rehetra mba hizara vaovao ny zandary nandritra izany, noho ity fiparirahan'ny rongony ity mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Marihina nampidirina am-ponja vonjimaika ny 9 janoary teo ny roa tamin'ireo telo lahy voasambotra noho ny raharaha trafikana rongony tany Morondava io, izay tratran'ny Zandary ny 28 desambra 2023, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Vao ny faramparan’ny taona teo ihany koa no nisian’ilay fahatrarana 800kg mahery saika hoentina aty an-drenivohitra, vao ny fiafaran’ity taona ity no nisian’ilay trafika tatsy Maorisy nahatrarana rongony manodidina ny 500 ka Malagasy 6 no vosambotra,… Na ny haparitaka ato anatiny na ny haondrana izany dia tena mirarakopana satria betsaka ireo tranga fahatrarana eny amin’ny fiarahamonina eny. Madagasikara ihany koa dia voasokajy ho toerana ihodinan’ny trafikana zava-mahadomelina na «plaque tournante ». Vao herintaona lasa izay no nisian’ireo rongony tamin’ny gony maro tratra tao Toamasina, izay nisy nakan’ny mpiambina ary niparitaka. Nalaza avy eo ny resaka roro sy ny tranga maro hafahafa. Vokany, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, herisetra,…
Toky R
Fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina, sinto-mahery , haro-paosy, halatra,
Mitsiry hatrany ny hevi-dratsin’ireo mpisoloky eto amintsika mba hahazoam-bola haingana.
Lanonana fankalazana tsingerin-taona nahaterahana niafara tamin’ny famoizana aina
Nahatratra 15 ora ny fakana am-bavany ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha
Notanterahina omaly 11 martsa 2025 tao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety,
Moto iray na 2 isam-bolana raha kely no entin’ireo efa tena ati-doha amin’ny fangalarana azy