airtel

Fandriampahalemana

02-juil-2024

MANGATOKA - MAHAJAMBA USINE

Dahalo roa lavo, tratra ny basy vita gasy nampiasainy

Sample post image

Dahalo roalahy afak’omaly Alahady nifoha omaly Alatsinainy 01 Jolay no lavon’ny mpitandro

02-juil-2024

ny filaminana tany Mangatoka, Mahajamba usine, ao Mahajanga. Tratra niaraka tamin’izy ireo nandritra izany ny basy vita gasy nampiasainy sy ny entana halatra maro. Nandritra ny fifandonana vokatry ny fifanjevoana tao anaty haizina moa no nitrangan’izany. Mbola nahatrarana finday sy vola 120 000 Ariary niampy volamena sy volafotsy koa tany amin’izy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsikaritry ny fokonolona tao Antanamandroso, fokontany Mangatoka kaominina ambanivohitra Mahajamba-usine ny dahalo tompon'antoka tamina fanafihana mitam-piadiana efa nokarohina ny alin'ny 29 Jona teo. Nifarimbona ny zandary sy fokonolona avy ao Bepaipaika , Tsiaromaso Madirofolo nihazo ny fokontanyTsarazazamandimby hanao ny fisamborana ka nahazoana izao vokatra izao.
Pati Legende : Ireto tratra ireto ary efa namoy ny ainy ny ampahany raha mbola karohina kosa ireo namany !

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap