airtel

Fandriampahalemana

20-sept-2023

MANOMBO ANDOHANILAKAKA

Nahitana razana efa tsy nisy lohany intsony

Sample post image

Tsy mitsahatra ny fanapahan-doha any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.

20-sept-2023

Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo dia fatin’olona iray indray afak’omaly no hita teo amoron-dranon'i Manombo, Andohanilakaka izay efa tsy nisy lohany intsony. Raha araka ny tombana dia vao haingana ihany no nisy namono io olona io izay tombanana ho lehilahy, hoy ny loharanom-baovao azo. Tsy fantatra mazava kosa anefa izay tena antony namonoana sy ny antony nakana manokana ny lohany. Ny tombatomban’ny mponina any an-toerana no milaza fa mety ho nalain’ny sasany mba hanaovana ody gasy sy sorona indray ny lohan’ity razana ity. Diso maro loatra mantsy ireo tovolahy tsy an’asa any an-toerana hany ka lasa manaotao foana mandripaka ny mpiara-belona tahaka izao. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany na tsia.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana !

 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Mafampana ny raharaha tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy,

Card image cap
17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap