airtel

Fandriampahalemana

24-sept-2024

MASON’NY OLONA VARIRA

« Tsy misy hery manokana izany »

Sample post image

Tsy misy hery manokana izany ny mason’ireo olona manana toe-tena varira,

24-sept-2024

hoy izy ireo. Noho izy ireny tsy ampy ireo karazana otrik’aina no antony tsy ahitana ilay loko mainty tokony ho hita ao anatin’ny masony sy tsy hitovizany amin’ny mason’ny olona ara-dalana. Noho ny tsy fahazakany ny masoandro ihany koa no mahagara maso azy ireny fa tsy mahitabe araka ny tsaho haelin’ny sasany akory. Io hery manokana izay hinoan’ny sasany io mantsy amin’ny ankapobeny no manosika azy ireo haka an-keriny ireo olona varira, hanapa-doha azy ireny ary haka ny voamasony. Miisa 6 mianadahy izy ireo no arovana mafy ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Soanala, distrikan’i Betroka amin’izao fotoana izao ankoatra ireo any amin’ny distrika hafa. Ny solombavambahoaka any an-toerana sy ny vadiny no mandray an-tanana azy 6 mianadahy ireo. Nambaran’ity solombavambahoaka ity taorian’ny diany tany Zimbabwe nandritra ny herinandro fa efa nisy ny volavolan-dalana narosony teo anatrehan’ireo parlemantera vahiny namany mikasika ny tokony hamoahana ny lalana ho fiarovana ireo olona manana toe-tena varira eto amintsika. Tsy mbola nahitam-bokany mihitsy mantsy hatreto ny fanenjehana ireo olona tratra na voarohirohy tamin’ny famonoana azy ireny ka tokony hojerena akaiky.
Pati
Legende : Ity Renim-pianakaviana ity izao dia notapahin-doha teo imason’ny vadiny ary namoy ny ainy mihitsy noho izy heverina ho manana hery hafa !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap