airtel

Fandriampahalemana

05-juin-2024

MILAZA HO MAHAY MAMPITOMBO VOLA

Nenjehina hatrany Sambava izy roa, efa nahazo 15.750.000 Ar

Sample post image

Ela ny ela fa tratra ireo mpivady mpisoloky rehefa nenjehina hatrany Sambava.

05-juin-2024

Ny 30 May lasa teo no nahazo angom-baovao ny Zandary avy ao amin'ny borigadin’ Ambohimalaza mikasika ny fisian’izy ireo. Teny Fiadanana, Fokontany Ankadiefajoro, Kaominina Anjeva, Distrikan’Avaradrano no voasambotra izy ireo. Raha tsiahivina kely dia mody manome fampiofanana maimaim-poana izy ireo amin'itony hoe : fampitomboana vola malaky itony. Lazain’izy ireo fa mitombo 50% isan-kerinandro ny vola ampiasaina amin’izany. Rehefa mifandray elaela amin'ireo olona izay jonoiny izy ireo dia alainy amin'izay ny vola ka efa nitentina 15.750.000 Ariary no azon'izy ireo tamin'izany. Ilay lehilahy dia mbola nahatrarana kara-panondrom-pirenena sandoka ihany koa. Efa natolotra ny fitsarana moa izy ireo ka efa naiditra eny Antanimora vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy roa efa tratra !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap