Kaominina Mahitsy, Distrikan’i Ambohidratrimo ny alin'ny alakamisy 06 Martsa lasa teo. Niantso zandary avy hatrany ny fokonolona ary niambina ireo 09 mianadahy efa nandroba ny fasana. Ny iray tamin'izy ireo mantsy tafatsoaka. Voalaza moa fa niato kely nisakafo izy ireo no izao tratra izao. Tonga nijery ny tranga ny Zandary ary voamarina fa efa voasokatr'izy ireo tokoa ny fasana. Notazomina avy hatrany izy 9 mianadahy ary karohina ny namany tafatsoaka. Nomena alalana namerina tamin'ny laoniny ny fasana kosa ny fokonolona. Mbola tsy nisy moa ny taolam-balo very hoy ny vaovao azo. Vaovao andrasana avy amin’izy ireo ny tena hilazany ny marina mikasika izay lehibeny tena mpaniraka azy sy ny antony ilana ireo taolam-paty hamakiana fasana amin’ny andro alina ka hanaovana vy very ny aina tahaka izao.
Pati
Legende : Ireto izy 9 mianadahy mpamaky fasana tratra tao Ambohidratrimo !
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina