airtel

Fandriampahalemana

16-oct-2023

Mpanampy an-trano sahirana ara-bola

Nanao kisarisarina fakana an-keriny hamitahana ilay mpampiasa

Sample post image

Tena efa mitady ny fomba rehetra mba hahazoam-bola mihitsy ny olona sasany ankehitriny.

16-oct-2023

Anisan’ireny Ramartina izay mpanampy an-tranon’olona tao Antsirabe tao. Raha araka ny fantatra dia nirahina nanatitra entam-barotra tany Anjoma izy ny 11 oktobra ary haka kaomandy any amin'ireo mpivarotra. Tany anefa Ramatoa dia nanao milentika ary tsy tratra antso an-telefaonina intsony. Tamin’ny 13 oktobra teo anefa dia tratra antso tampoka izy ary nanao an-dranomaso fa tratran'ny mpaka an-keriny ka mitaky vola 2 tapitrisa Ar amin'ny mpampiasa azy raha tsy izany dia hovonoin'izy 3 lahy mitazona azy any anaty ala any izy no sady hotapahina koa ny lohany. Nametraka fitoriana tao amin'ny borigadin’Antsirabe ilay mpampiasa azy noho izany.Nanao ny fomba rehetra sy ny fahaiza-manao nikarohana ireo olon-dratsy ny ekipan'ny CB_Antsirabe ka fantatra fa ao Morafeno no hiafenan'ilay vehivavy. Nosamborin'ny zandary izy sy ny lehilahy iray niaraka taminy nandritra izany ka fantatra fa olana ara-bola no nahatonga azy hitady ny fomba hahazoany vola maimaim-poana sady tsotra tamin'ilay mpampiasa azy saingy tsy nahomby izany. Orinasa iray mpaninjara paraky sy sigara ao Antsirabe moa no hiasany, raha tsiahivina. Monina ao Antsoso ravehivavy ary avy any Fidirana Mandoto kosa ilay lehilahy voasambotra niaraka taminy. Hatolotra ny fitsarana anio Alatsinainy izy roakely ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roakely mpanao sarintsarina fakana an-keriny
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap