bâton » misy « pouvoir" ny zavatra hangalarina dia manjavona ilay finday. Tovolahy kely iray no saron’ny fokonolona nanao izany tao an-tsenan’Ambodivary, Soavina Atsimondrano ny 26 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Hazo lavalava toy ny tahon-kifafa no petahan-dry zalahy siligaoma ka raha vao variana ilay mpivarotra dia kitihiny amin’iny ny finday hamidy ary lasany avy hatrany. Natolotry ny fokonolona ny zandarimaria moa ity tovolahy kely ity raha tafaporitsaka kosa ny namany iray izay mbola karohina fatratra amin'izao fotoana izao. Na izany aza efa fantatra anarany sy ny adiresy misy azy. Avy eny Ankazotoho moa ilay voasambotra raha avy any Ankaditoho kosa ilay karohina. Pati
Legende : Ilay tovolahy kely mpangalatra finday !