airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2023

MPIASAN’NY KAOMININA ANTSIRABE

Novonoin’olona rehefa nanjavona, hita omaly ny fatiny

Sample post image

Renim-pianakaviana iray mpiasa eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’Antsirabe ,

22-nov-2023

Faritra Vakinankaratra nanaovana filazana fikarohana roa volana lasa izay Itompokovavy Harisoa Jouzier Noeline. Nandeha ny fikarohana azy nataon’ny zandary nandritra izany izay notarihin’ny kaomandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Antsirabe izay manana fahaizana manokana amin'ny fikaroham-baovao. Nahetsika ny mpanome vaovaon'ny zandarimaria, nofotorina sy nohatomorina akaiky ny fahamarinan'ny angom-baovao ka fantatra fa novonoin’olona Itompokovavy ary nalevina avy eo. Tao amin’ny tokontanin'ireo namono azy ihany no nandevenana an’Itompokovavy. Voasambotra ireo mpiray tsikombakomba tamin'ny famonoana. Tsy tratra tao an-tranony kosa ireo tompon'antoka voalohany kanefa toky no omen'ny zandarimaria fa tsy maintsy hita izy ireo na ho ela na ho haingana. Ahiana ho fisolokiana sy resaka volabe no nahatonga ireo mpamono olona ho namono an-dRatompokovavy. Milaza ho manana tany hamidy ireto mpamono ka rehefa nirava avy niasa Itompokovavy dia nihaona tamin'ireo olon-dratsy. Ahiana ho izay vola vidin'ny tany izay no nahatonga ny famonoana feno habibiana an-dRatompokovavy. Efa natolotra ny fianakaviana moa ny razana ka avy hatrany dia nalevina tany amin'ny fasan-drazany ny razana.
Pati
Legende : Ilay toerana nandevenana an-dRatompokovavy sy ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny mpamono olona !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap