airtel

Fandriampahalemana

27-juin-2024

Mpitandro filaminana

"Ataovy mifanaraka amin'ny fihetsiketsehana ny asa"

Sample post image

Raha izay mpitandro filaminana hitako omaly sy androany izay angamba no miasa araka tokony ho izy .

27-juin-2024

Mety na milanja vola 1 gony aza tsisy sahy mikitika saingy indrisy.." Tahaka izany ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray tao anatin'ny facebook omaly alahady tolakandro, manodidina ny fetim-pirenena.Hafa tokoa, tsy tahaka ny mahazatra ny fahitana ny miaramila, zandary, polisy omaly. Ny matso, fihetsika mirindra sy fanehoana fahakingana nataon'izy ireo dia tena tahaka ireny hoe anaty horonantsary mihetsika ireny mihitsy. Raha ny omaly aloha no jerena dia tena matihanina ny foloalindahy malagasy, tsy mena-mitahy amin'ireo tafika any amin'ny firenen-kafa. Etsy ankilan'izay dia malaza aty Afrika izany hoe akademia miaramilan'Antsirabe izany. Ary firifiry ny malagasy zandary na polisy mandrato fianarana na mihofana any ivelany no mamiratra sy mahazo naoty tena tsara
TSY ARAKARAK'IZANY AKORY
Ny manahirana anefa dia henjana ny fitongatry ny asan-jiplahy sy tsy fandriampahalemana manerana ny nosy,fakana an-keriny, fandrobana tanàna iray manontolo, halatr'omby, fanolanana, vono olona... fanendahana sy herisetra isan-karazany, na an-tanan-dehibe io na any ambanivolo.Firifiry ny Malagasy matory an-tsaha miambina ny voly. Mampalaina ny tantsaha mpamokatra izany kabmahatonga azy ireo hiakatra an-tanan-dehibe.Indrisy anefa fa tsy mahita asa dia lasa mampitombo isa ny mpitenireny sy mpatory an-dalana, dia iny no miitatra ka mampitombo isa no roboka anaty asan-jiolahy . Fanirian'ny rehetra ny hoe mba ataovy tahaka ny rehefa 26 jona ny fihetsika, fomba fiasa sy fahamatoran'ny mpitandro filaminana isan'andro amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mba ataovy misy isam-pokontany andro aman'alina ireo andiana mpitandro filaminana ampy fitaovana, tsy misaomonga fa tena miaro vahoaka sy miady tokoa min'ny jiolahy Mba ataovy miasa ho an'ny tanindrazana sy ny lalàna tokoa ireo mpitandro filaminana fa tsy sanatria lasa herim-pamoretana hifehezana fotsiny ny vahoaka na hampitahorana ireo tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra fanjakana.
ASEHOY FA MAHAVITA
Anisan'ny mpiasam-panjakana tena milamina eo amin'ny resaka karama sy tombotsoa ny miaramila, zandary, polisy. Ka rariny loatra kosa raha mba misy tamberin'andraikitra avy amin'izy ireo ho an'ny vahoaka. Aoka hifanaraka amin'ny fihetsiketsehana ny asa fiarovana anay vahoaka hoy ireo olom-pirenena fa tsy hoe isaky ny fetim-pirenena fotsiny no manao toa ireny e !
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap