airtel

Fandriampahalemana

05-sept-2024

Mpitandro ny filaminana

Iandronan’ny rihitra noho ny hadisoan’ny mpitondra

Sample post image

Mafampana hatrany ny sakana ara-politika rehefa akaiky fifidianana tahaka izao.

05-sept-2024

Zary lasa misy endrika fampiadiana ny mpitandro ny filaminana amin’ny olom-pirenena sy ny mpanao politika eo anatrehan’ny endrika fanaovana fitaovana politika azy ireo. Mifoha indray izany ankehitriny, indrindra eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Zary fanamarihana mandeha hatrany ny hoe : mailaka amin’ny fanetsehana mpitandro ny filaminana amin’ny ara-politika ny fitondrana, fa tsy tena manana vahaolana amin’ny fampiasana azy ireo hiaro ny vahoaka sy ny fananany. « Manerana an’i Madagasikara be dia be vahoaka mila mpitandro filaminana, be dia be ny mila vonjy, maty ny any Marotsopoy, maty ny any Sakaraha, maty ny any Toliara, misy manao « kidnapping » etsy sy eroa, betsaka ny very fananana, ao ny mpanao cash point tifirin’ny jiolahy,… hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Lasa « défaillant » na misy lesoka be ny fitandroana ny filaminana izay lasa any iandronan’ny vavam-bahoaka noho ny baiko politika kanefa ny vahoaka tsy voaaro, lasa ny mpitandro ny filaminana no mahazo tsiny, kanefa avy amin’ny vahoaka, zana-bahoaka,… raha ny fanamarihana omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. Nanamafy sy nanao antso avo ny hijerena manokana an’ireny ny depiote voafidy tany Anjozorobe Edison Razafintsihoarana. Ny any an-toerana izay mafana indray amin’izao ny raharaha « kidnapping » sy fandripahana olona. Nanamarika io depiote io fa zana-bahoaka ny mpitandro ny filaminana, ka rehefa tonga ny fotoana dia tsy tokony hisy ny mizana tsindrian’ila satria lasa miantefa any amin’ny mpitandro ny filaminana ny vavam-bahoaka. Ianareo zana-bahoaka, ary isika miaraka eto foana, hoy io depiote io. Tsy manan-tsafidy moa ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, fa rehefa baiko dia baiko, hany ka zary izy ireo hatrany no toa hanangonana ny rihitra eo anatrehan’ny fihetsiky ny mpitondra sy ny mpanao politika izay te hilalao mafy azy ireo amin’ny fiarovan-tseza sy fahefana. Ilaina ve ny fanerena azy ireo ho fitaovana politika lava raha tena mahomby sy mamaly ny filàn’ny vahoaka sy ny Firenena ny Fitondrana ? Moa tsy ny vahoaka mivantana ve no hijoro hiaro ny fitondrana fa tsy hilàna basy aman-tafondro raha tena mahomby ny mpitondra ?
Toky R
Legende : Ny karamanay no handoavana ny karamanareo kanefa efa maty ny olona any aminay vao tonga ianareo, aty anefa izao no ataonareo, hoy ity renim-pianankaviana ity omaly tetsy Behoririka
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Nampitomboana 300 isa ny isan’ireo mpianatra ho zandary andiany faha-79 horaisina amin’ity taona ity.

Card image cap
12-sept-2024

Nahatratra 46 isa ny tranga filazana sy fitarainana zaza very nisy teto an-drenivohitra

Card image cap
12-sept-2024

Misy olona tsy leo ny miaina eny am-ponja eto amintsika.

Card image cap
12-sept-2024

Naiditra am-ponja vonjimaika ny 03 septambra 2024 teo ireo olona folo miisa 10 voarohirohy

Card image cap