thermos eto amintsika. Nanomboka tetsy Anosizato Andrefana Antananarivo izany izay vehivavy iray no nanao azy ary efa tonga hatrany Toamasina. Vehivavy ihany koa no nanao ity farany, tratra tao Brickaville. Lehilahy iray mpanjifa no fantatra fa voasambotra niaraka taminy. Raha araka ny fantatra moa dia ireo jiolahy mpanao asa ratsy no tena manjifa io rongony ranony io tehirizina anaty thermos io mialohan`ny hanaovany ny asa ratsiny. Toy ny dite raha fehezina no fanamboaran’ireo vehivavy azy, izay fantatra fa hahazoany tombony kokoa raha oharina amin’ny rongony vovony sy voany raha araka ny loharanom-baovao azo.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy tratra !
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina