airtel

Fandriampahalemana

14-juin-2024

Nampanantenaina hiasa amin’ny Madagascar Airlines

Olona maro voasoloky 1.110.000 Ar isanisany

Sample post image

Mafy ny mitady asa amin’izao, antony mahatonga ny olona sasany ho voasoloky tsy fidiny.

14-juin-2024

Lehilahy iray monina eny Atsimondrano eny no milaza fa mahavita mampiditra mpiasa ao amin'ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines izay zavatra tsy misy akory. Mandray mpiasa, hono, io kaompania io ka vola 480.000 Ar isan'olona ny saran'ny fandraisana antontan-taratasy mialoha. Naheno izany ireo olona sahirana mitady asa dia namorona ny tsy misy fa mba te-hiasa amin'ny fiaramanidina.Vao azon’ilay lehilahy anefa ny vola dia sady tsy hita intsony izy no tsy tratra antso. Nifindra trano ihany koa hoy ny vaovao. Olona iray no nitory azy voalohany ka fantatra fa "puces" maromaro no hampiasain'izy sy ny vadiny hanaovany izany asa ratsy izany. Hita tamin'ny alalan'ny fanomezam-baovao avy amin'olona tsara sitrapo ihany koa ny trano nifindrany monina. Avy any Ankadilalampotsy Kaominina Ankaraobato no nifindra ao Marohoho Kaominina Ankaditoho izy ireo.Vantany voasambotra izy ireo dia tonga koa ny olona telo hafa voasoloky nanao fitoriana. Nitory azy koa ny Kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines satria nanatona tany koa ireo voasoloky. Fantatra fa nitaky volabe hafa koa ity mpisoloky ity ho an'izay olona maniry hahazo toerana ambonimbony.Tafakatra 1.110.000 Ar isan'olona ny azony tamin'izany. Nanomboka ny 24 Aprily izy mivady no nanao fangalapiery ka ny 08 Jona no sarona tao amin’ilay tranony vaovao.Natolotra ny fitsarana izy roa ka notanana amponja vonjimaika ny lehilahy raha arahi-maso kosa ny vadiny miandry ny fotoam-pitsarana.
Pati Legende : Ilay lehilahy naiditra am-ponja vonjimaika !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap