airtel

Fandriampahalemana

03-sept-2024

PARAKY SOANIERANA

Mirongatra ny asan-jiolahy, misy foana ny voaendaka

Sample post image

Olona 3 isan-kerinandro raha kely no voaendaka etsy Paraky, Boriborintany fahaefatra ao anatin’ny herinandro.

03-sept-2024

Isan-kariva manomboka amin’ny 06 ora sy sasany any ho any no tena hitrangan’izany ka ireo mpiasa tara fodiana no tena lasibatra. Vao andro vitsy lasa izay dia fantatra fa mpivady avy nirava niasa no nendahin’ireo jiolahy tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny peratra teny amin’ny tananan’izy ireo niampy finday. Mbola norovitin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny antsy ihany koa ny tananan’ilay Raim-pianakaviana nandritra izany. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana dia efa misy hatrany ny fitarainana hataon’izy ireo amin’ny Fokontany sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony saingy tsy mbola misy ny vahaolana hatreto. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana araka izany izy ireo indrindra ny hanafoanana ireo tovolahy marobe mpijorojoro eny amin’iny faritra iny. Misy hatrany mantsy izany, tovolahy izay marihina fa saika tsy an’asa avokoa nefa mamelom-bady aman-janaka. Voatery manaotao foana mamono sy mambotry ny mpiara-belona aminy izy ireo vokatr’izany raha tsy lazaina intsony ny mety ho fandraisana zava-mahadomelina. Pati
Legende : Eto amin’ity tetezan’i Paraky ity mihitsy no tena fanararaotan’ireo mpanao ratsy 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap