airtel

Fandriampahalemana

03-juil-2024

Rado Ratobisaona, mpahay toekarena

Nodimandry irery tao an-tranony omaly

Sample post image

Nodimandry omaly takariva i Dr.Ratobisaona Rado, mpahay toe-karena sady mpikambana eo anivon’ny CREM

03-juil-2024

cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar). Maty irery tao an-tranony izy raha ny filazan’ny fianakaviany. Nahitana ratra ny lohany saingy tsy fantatra ny antony ny faharatrana, hoy ny tatitry vonjimaikan’ny fampahalalam-baovao samihafa omaly. Anisan’ireo tanora manam-pahaizana ara-toekarena naneho hevitra matetika tamin’ny haino aman-jery mikasika ny fiainana ara-toekarena teto Madagasikara ny tenany, ankoatra ny maha mpampianatra-mpikaroka azy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Sampana toekarena. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap