airtel

Fandriampahalemana

11-mars-2025

Raharaha Rasazy Narindra

« Manana singam-baovao ahafaha-mitazona ny Fitsarana! »

Sample post image

Taorian’ny resabe sy adihevitra samihafa, nitondra fanazavana mikasika ny raharaha famonoana an-dRasazy

11-mars-2025

Narindra na Raniriarivony Narindraniaina ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly alatsinainy 10 martsa 2025. Miisa18 ireo olona nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ny 07 martsa, araka ny tatitra nataony. Loham-piampangana 4 no hanenjehana azy ireo : famonoana olona niniana nomanina voatondro sy faizin’ny andinin-dalàna 297, 298 ary 203 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana ; Firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona niniana nomanina izay voatondro sy faizin’ireo andinin-dalàna telo voalaza etsy aloha. Mety hahavoasazy ireo voapanga hiasa an-terivozona mandrapahafaty ireo loham-piampangana roa ireo. Loham-piampangana fahatelo ny fihazonana fitaom-piadiana tsy nahazoana alalana izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-96 amin’ny lalàna 69.011 tamin’ny 22 jolay 1969 ka mety hahavoasazy 1 ka hatramin’ny 6 volana. Fahaefatra ny fidirana amin’ny fikambanan’olon-dratsy, faizin’ny andininy faha-265 sy 266 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, mety hahavoasazy asa an-terivozona mandra-pahafaty. Nilaza io tonia mpampanoa lalàna io fa manana singam-baovao na «éléments » nahafahana nampiditra am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy mandra-pahatongan’ny fitsarana ny mpanao fanadihadiana sy mpitsara mpanao famotorona. « Anisan’izany ohatra ny resaka an-tariby na somaiso (sms) nifanaovan’ireo mpaniraka sy ireo mpanatanteraka ny famonoana », hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna. Efa ahitana soritra sahady ny mety vesatra mianjady amin’ny voapanga tsirairay izany resaka an-tariby. Nisy, hoy ny tonia mpampanoa lalàna, ny niezaka namafa ny porofo, kanefa rehefa natao ny fanadihadiana lalina, dia hita ny anjara andraikitry ny voapanga tsirairay tao anatin’ny raharaha. Nampahatsiahy ny tonia mpampanoa lalàna fa tsy azo atao ny manonona ny anaran’ny voampanga na mamoaka ny sariny amin’ny fitaovan-tserasera rehetra mba ho fanajana ny « présomption d’innocence » na ny fiheverana ny olona iray ho meloka rehefa mbola tsy misy ny didim-pitsarana raikitra manameloka azy. Andrasana ny tohiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
26-mars-2025

Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena

Card image cap
24-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
24-mars-2025

Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao

Card image cap
24-mars-2025

Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina

Card image cap