airtel

Fandriampahalemana

10-oct-2024

RAKOKO, JIOLAHY RAIN-DAHINY

Maty voatifitra rehefa namono olona 16 isa

Sample post image

Dahalo raindahiny, 03 taona nokarohina Rakoko saingy tratra ihany rehefa tapitra ny 99 androny.

10-oct-2024

Ny 01 oktobra teo no natao hazalambo tao Fenoarivo Mahazaza izy 04 nampihorohoro an'Iabohazo nefa tsy tratra fa nitsoaka tao Marovandrika ka alina vao miakatra an-tanàna. Narahina fa tsy tratra fa lasa nitsoaka tany Marovary indray, hono. Ny 06 oktobra 2024 no fantatra fa miafina ao Ambatominty Beriketa kaominina Ankarana izy ireo. Nalefa tany ny zandary sny y jama hisambotra azy.Afak’omaly 07 oktobra tamin’ny 04 ora maraina dia tifitra no nitsena an'ireo zandary sy jama hisambotra azy ireo. Namaly tifitra koa ireto farany ka lavo ny dahalo iray na dia nitsoaka aza fa ny namany kosa tafaporitsaka. Tratra teny aminy ny basy iray sy bala 04 ka ny 01 efa nipoaka. Nosavaina ny manodidina sy ny trano ka nahitana basy roa hafa sy vehivavy telo. Ny iray sipan’ilay dahalo maty, nanafina azy, ny iray nandefa hafatra tamin’ny finday nanao hoe "miafena nareo fa ireny ny zandary hisambotra". Ny fahatelo renin'i Nagnapia nanafina sy mpanatitra sakafon'ny dahalo any anaty ala. Fantatra fa i LIVRÉ na Rakoko ilay dahalo maty dia avy any Mahasitraka Agnaviavy kaominina Tovòna Farafangana. Mamono olona sy mandoro trano isaky ny manafika no tena talentany. Olona miisa 16 moa no efa matin-dRakoko nanomboka tamin’ny taona 2022 tany amin’iny Faritra Atsimo Atsinananan’ny Nosy iny.
Pati
Legende : Lasa nandao ny tany Rakoko jiolahy mpamono olona !
 

Dans la même rubrique