airtel

Fandriampahalemana

01-oct-2024

RONGONY 63 GONY SARONA

Ilay tovolahy tratra nifoka no nanondro ny tompony

Sample post image

Rongony 63 kilao, nafatratra tao anaty gony miisa dimy, no tratran'ny zandary tao Ambaribe fokontany Fiakarana

01-oct-2024

kaominina ambanivohitr’Ambohitrimanjaka, ny 28 Septambra teo.Lehilahy iray tratran'ny zandary nifoka no nibaboka ary nanondro ny mpamatsy azy. I Beloha, no tompon'ireo rongony ireo, izay tratra tao an-tranony niaraka tamin'ireo gony miisa 5 voalaza etsy ambony. Nosamborina ny anaolahy vokatr’izany. Izy mantsy raha tsiahivina no mpanaparitaka rongony amin’ireo tanora eny an-toerana izay tsiahivina fa sady manimba sy mandoto tanana no manapotika ny ho avin’iretsy voalohany ihany koa.
Pati
Legende : I Beloha sy ilay tovolahy kely mpividy rongony aminy !
 

Dans la même rubrique