airtel

Fandriampahalemana

17-oct-2024

Sanjaraky, tovovavy 22 taona voatsatok’antsy

Ilay polisy sakaizany ihany no namono nahafaty azy ?

Sample post image

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

17-oct-2024

no fantatra fa notsatohan’ny sakaizany tamin’ny antsy ka namoy ny ainy afak’omaly Talata 15 Oktobra tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina tany Toliara. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia Polisy am-perin'asa ao amin’ny CSP Betania io ahiana ho nahavanon-doza io. Raha ny filazan'ny manodidina dia nifamaly izy roa tamin’io Talata alina io. Nisy nanakatona ny varavaran'ilay trano taorian’izany ka nivoaka teny amin’ny varavaran-kely ilay lehilahy. Mbola tsy hita moa io polisy io hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Andrasana izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Anio Alakamisy moa no alevina ny razana hoy hatrany ny vaovao azo, raha mitohy ny fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny tovovavy fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap