Itsy voalohany no manao ny asa ratsy raha ilay anabaviny kosa no mpampiantrano azy sy mpivarotra ny entana halatra. Jiolahy efa ela nikarohana azy noho ny afera vaky trano misesisesy sy tao amin'ny Fokontany Ambohimahitsy kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrikan’ Avaradrano zoky "rasta" .Voasambotry ny zandary avy amin'ny 21 Febroary teo izy ary nilaza ireo heloka rehetra efa vitany. Nosamborina ihany koa ilay anabaviny izay tratra tany Bemasoandro Fokontany Manantenasoa, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely. Vilany lehibe iray, speaker iray izay samy halatra avokoa no tratra niaraka taminy. Toraka izany koa ny lakile marobe, karatra banky fakàna vola an'olona maromaro sy karine caisse d'épargne izay tany amin'ireo trano efa novakiany. Hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity izy mianadahy ireto.
Pati
Legende : Nampiarahina tamin’izy mianadahy tahaka izao ilay vilanibe nangalariny !
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina