airtel

Fandriampahalemana

04-juil-2024

Talatakely, Ambatolampy

Tovolahy 4 tratra nangalatra entan’ny skoto

Sample post image

Tratra nangalatra entan’ny skoto milasy tany Talatakely, fokontany Fihaonana,

04-juil-2024

Ambatolampy ny tovolahy miisa 4, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny alin'ny 1 jolay dia tsikaritra fa nisy nandrovitra tamin'ny «lame» ny "tente" na trano hoditra fatoriana miisa 4 ka betsaka ireo zavatra very, hoy ny fanazavana. Ny maraina ihany dia sarona avokoa ireo tovolahy nanao ny halatra ireo, izay avy eo Talatakely ihany. Mbola tratra teny amin'izy ireo avokoa ireo entana nangalariny toy ny finday «Redmi Note 8 Pro», «sac à dos» na kitapo babena, fanamiana skoto, kiraro, lamba firakotra, «tente», kara-panondro, vary sy laoka, vola 3 alina sy 3 hetsy Ariary izay tsy hita intsony no niafarany, ny «portefeuilles» na poketra fampirimam-bola sy ny maro samihafa. Tazonina atao famotorana izy ireo ary atolotra ny fitsarana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap