airtel

Fandriampahalemana

20-oct-2022

Fandriampahalemana

Tanàna voalaza fa fieren-jiolahy Nodoran’ny zandary, may hatramin’ny sekoly,…

Sample post image

Tanàna voalaza ho fieren'ny mpaka an-keriny no voalaza fa nodoran’ny zandary tany Antsahabe Kaominana Marotsopoy, distrikan’Anjozorobe ny talata 18 oktobra 2022 lasa teo.

20-oct-2022

Ny Kaompania sy ny CSAO Andriamena no voatonontonona ho nanao ny fandoroana, saingy andrasana izay mety ho fanazavana na fandisoana avy amin’ny mpitandro ny filaminana. “Voalaza ho fieren'ireo olon-dratsy mpaka an-keriny io ny tanàna, kanefa ny zava-doza, dia may niaraka tao hatramin’ny sekoly izay nijoro ara-panjakana. Ho aiza ny mpianatra sy ny mpampianatra ?", hoy ny mpanabe. Somary hafahafa ity toe-javatra ity ary mampametra-panontaniana hoe: tena ny zandary tokoa ve no nanao fandorana? Tsy nisy vahaolana azo noraisina afatsy ny fandoroana tanàna tokoa ve? Mampahatsiahy ny raharaha fandoran’ny mpitandro filaminana ny tananan’Antsakabary tany amin’ny fiandohan’ny taona 2017 izay tsy nisy tohiny intsony mandrak’ankehitriny ity raharaha ity.

Toky R

 


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap