airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2024

TOJO, JIOLAHY RAINDAHINY

Niafina tany ambony « plafond » sady nitifitra kinanjo voatifitra

Sample post image

Sendra ny nahay azy i Tojo, ilay jiolahy rain-dahiny nokarohina efa ela tany Ankazomiriotra Mandoto.

11-sept-2024

Afak’omaly 09 Septambra tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nahazo antso ny zandary tany an-toerana fa tonga tao an-tanana i Tojo ary fantatra ny trano misy azy.Poa toy izay dia vory ny ekipa. Zandary miisa 6 notarihin’ny lehibeny no indray nanatanteraka ny fisamborana azy.Voahodidina zandary sy tovolahy matanjaka ilay trano voalaza fa niafenany. Tsy afaka nivoaka intsony ny anaolahy vokatr’izany ka nisitrika tany ambony plafond sady namaly tamin'ny tifitra.Natao izay fomba rehetra nivoahany saingy tifitra ihany no setriny.Nipaika ny tamin'ny 1 ora sy 45 min ora voatery nitifitra koa ny zandary noho ny tahotra ny ain’izy ireo sy ny fokonolona. Nandriaka avy any ambony plafond ny ra, nandao ny tany i Tojo, afa-doza ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra teo amin’ny tena ainy i Tojo ka nanaraka hatramin’ny ainy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap