airtel

Fandriampahalemana

01-août-2023

Fandriampahalemana

TOLIARA RENIVOHITRA Jiolahy roa avy nanafika lavon’ny polisy

Sample post image

Jiolahy miisa roa no indray lavon'ny balan'ny polisy miasa ao an-drenivohitr’i Toliara niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana mahery

01-août-2023

vaika rehefa avy nanafika tamina tokantrano iray tany an-toerana afak’omaly. Raha tsiahivina dia naharay antso tamin'ny olona tsara sitrapo ny teo anivon'ny kaomisarian’i Toliara mahakasika ny tranga fanafihana tao Sanfily ny 30 jolay lasa teo. Tokony ho tamin’ny 07 ora hariva sy 05 minitra no nitrangan’izany. Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ireto farany ka nifanojo tamin'ny jiolahy telo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka ny roa tamin'izy ireo no lavon'ny balan'ny polisy, izay nahitàna basy vita gasy, raha tafatsoaka ny iray izay nitondra sabatra lava lela. Fantatra fa Ramatoa iray 64 taona no notafihin'ireto jiolahy ireto ka naratra mafy ity farany nandritra izany. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman’izy roalahy efa maty ireto.
Pati
Legende: Anisan’ireo jiolahy mpanao fanafihana nikoizana tao Toliara !


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap