airtel

Fandriampahalemana

16-oct-2024

TOVOLAHY NITSINDRONA « DROGUE »

Notsindrominy koa ilay sakaizany avy eo naolany

Sample post image

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

16-oct-2024

Talata 15 Oktobra vao maraimbe. Nitsindrona drogue izy io no sady nanindrona ilay ankizivavy kely vao 17 taona niaraka taminy ihany koa. Nanamparany ny filan-dratsiny ilay tovovavy kely avy eo. Tamin'ny fotoana nahatrarany FIP azy dia mbola tsy mahatsiaro tena ilay tovovavy ka nentina tany amin’ny hopitaly. Tany masina Toamasina ka tsy azo hanaovan-dratsy, hoy ny kaomandin’ny FIP ao Toamasina ny Kaomisera Jules Rafaliarivo. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana aminy hamongotra tanteraka ny roro , ny cocaïne , ny héroïne , izay tena mamotika tanora maro eto amintsika ity Kaomisera ity araka izany.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy sy ireo fitaovana nitsindromany !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap