airtel

Fandriampahalemana

08-juil-2024

Tsiningia Boriziny

2 lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Sample post image

Lehilahy miisa 2 no matin'ny fitsaram-bahoaka ary nodorana lasa arina ny alakamisy

08-juil-2024

teo tany amin'ny kaominin'i Tsiningia, distrikan'i Boriziny, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Niantomboka tany amina aditany ny tantara, hoy ny fanazavana. Nisy olona ao Ambarimanjevo niady tany ary voalaza fa nigadra mihitsy ny iray. Rehefa izay, nanakarama lehilahy miisa 3 izy hamaly faty an'ilay miady aminy, hoy ny loharanom-baovao. Ny 17 jona dia nisy nahita tonga teo an-tanàna ireo 3 lahy hamono ilay olona izay renim-pianakaviana. Nokapain'izy ireo tamin'ny famaky ary matiny. Nandositra izy 3 lahy taorian'izay. Izy ireo moa tsy manana fonenana mazava fa mifindrafindra mamboly katsaka any anaty ala. Ny alakamisy teo, mbola nandroba olona nitondra "radio carte", na ireny fihainoana hira fitondra mandehandeha ireny, indray izy ireo. Tezitra ny fokonolona ka nisambotra. Tratra ny 2, raha tafatsoaka ny 1. Nodoran'ny olona teny akaikin'ny CEG ireo voasambotra. Efa may be sy tsy nisy aina izy 2 lahy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy sy zandary, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Maty nodoran’ny olona izy roalahy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-mars-2025

Taorian'ny fakàna an-keriny ireo olona 4 mianaka niaraka tamin'ny omby miisa 20 tao

Card image cap
10-mars-2025

Notanana am-ponja eny Tsiafahy ilay tovolahy iray taorian'ny nanaterana azy teny amin'ny fitsarana.

Card image cap
10-mars-2025

Jiolahy iray volaza ho nanafika ny tranom-barotra Cosmos Andranomena

Card image cap
06-mars-2025

Mena ny tondro saika manerana ny Nosy amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana.

Card image cap
06-mars-2025

Mampiteny moana ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina sy manerana ny Nosy.

Card image cap
06-mars-2025

Tena tsy voafehy intsony ny tsy fandriampahalemana eto amintsika hoy Pasitera Heritiana Randriarimalala

Card image cap