airtel

Fandriampahalemana

12-juin-2023

Fandriampahalemana

Tsy filaminana eto Antananarivo Olona 5 isan’andro no voaendaka eny Ambondrona

Sample post image

Olona miisa 5 isan’andro raha kely no voendaka eny amin’iny faritra Ambodovoina miazo an’i Manjakaray iny isan’andro.

12-juin-2023

Ankoatra ireo mpianatra tratra hariva hamonjy fodiana dia lasibatra ihany koa ny mpiasa…Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo izao dia olona handeha hamonjy fodiana manakaiky ny toby fiantsonan’ny taxibe no saika lasibatr’ireo mpangalatra indray. Roalahy ireto farany no niaraka ka mbola tsy ampy taona ilay iray izay vao 16 taona monja.Tsikaritr’izy ireo nitondra entana maro ilay olona handeha hody ka narahany moramora. Natsofiny teo afovoany nandritra izany ka norahonany ary nalainy ny finday teny aminy. Noraisim-potsiny anefa izy ireo satria efa narahan’ireo Polisy maso niasa teny amin’ny manodidina. Tafaverina ilay finday noho izany raha tsy nisy ihany koa ny entana lasa.
Nangonin’i Pati
Legende : Roalahy tratra nanendaka teny Ambondrona
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap