airtel

Fandriampahalemana

07-août-2024

Tsy milamina ny tany ao Faratsiho

Miantso fanampiana ny Depiote Mily

Sample post image

Mikolay ny amin’ny tsy fandriampahalemana hiainan’ny mponina ao anatin’ny

07-août-2024

distrikan’i Faratsiho ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary na i Mily voafidy tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina tany an-toerana. Nambarany fa tena mandry andriran’antsy ny vahoaka na andro na alina. Ankoatra ny fanendahana dia manao ny hataony ireo dahalo mpangalatr’omby. Vao herinandro mahery izay raha araka ny fanazavany no nisy olona nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tao Miandrarivo. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar, tranga niseho tamin’ny andro atoandrobe nanahary. Matahotra ny ainy avokoa ny mponina vokatr’izany. Ekena hoy izy fa efa nisy ny fitokanana ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena na ny Poste avancee ao Miandrarivo saingy enganie mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny mponina indray ny fisian’izany fa mba tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa. Ny hanafoanana ny tsy rariny sy ny tsy hisian’ny kolikoly no tena andrasan’ny vahoaka amin’ny fisian’izy ireny hoy izy hanafoanana ny asa ratsin’ireo tsy maty manota. Manao antso avo amin’ny Fitondrana foibe hatrany ity solombavambahoaka ity noho izany mba hahafahana miaro ny fananana sy ny ain’ireo mponina ao aminy. Efa misy tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena koa moa ao Ambatofotsy sy Faravohitra ary Antsapanimahazo saingy tsy maharo ny mponina izany.
Pati
Legende : Ramilison Nomenjanahary, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap