airtel

Fandriampahalemana

09-août-2023

Fandriampahalemana

Tsy milamina ny tany sy Firenena Mandravarava ny dahalo sy jiolahy

Sample post image

Tsy milamina ny tany, tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana izay napetraka ho eo amin'ny laharana voalohany amin'ny veliranon'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

09-août-2023

Rakotra asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy saika manerany ny Nosy. Tranga roa goavana no isan'ny niseho tato anatin'ny herinandro. Voalohany ilay tany Mangabe Sahananto any Toamasina II vao andro vitsy, nahafatesana olona 1 sy nisiana takalon'aina 6 izay efa votsotra moa. Voalaza fa mety misy ifandraisany amin'ireo mpaka an-keriny tao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka satria nitsoaka nanatona an'io ireo olon-dratsy. Asa nanao ahoana tokoa moa no tohin'ny fikarohana ireo voarohirohy ho mpaka an-keriny tany Alaotra izay hatramin'ny assistant parlementaire no voarohirohy sy nifampitadiavana. Efa tratra avokoa ve Ny tany amin'ny ilany Atsinanana izay fa ny any Atsimo, dia nisehoana halatra omby marobe ihany koa tany Bekily-Beraketa omaly maraina. Omby 56 be izao no indray lasan'ny dahalo. Zandary roa voatifitry nandritra ny fanarahan- dia. Ny iray tamin'ireo zandary namoy ny ainy, ary ny iray maratra mafy. Henjana ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, ary tena mihatra aman'aina. Taratry ny tsy fitonian'ny Firenena, endrika isehoan'ny fahantrana sy fitotonganan'ny toekarena, endriky ny tsy fahaiza-mitantana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap