airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2024

Vaky fasana

Mijanona ho misitery hatramin'izao

Sample post image

Andian-jiolahy nikasa hamaky fasana no voasambotra ny 8 septambra 2024, hariva teo tao Andraingory,

11-sept-2024

Lohomby kaominina ambanivohitra Mantasoa, Manjakandriana.Efa maro ihany izay mpamaky fasana sympangalatra taolam-paty voasambotra izay nanomboka ny taona '90 no mankaty saingy tsy mety fantatra izay tena marina hatramin'izao. Taorian'ny krizy politika sy hetsi-bahoaka ny taona 1991-1992 ka nandrodana ny repoblika faha-2 no nanomboka ny vaky fasana ay halatra taolam-paty ka ny faritr'Alaotra no tena lasibatra tamin'izany. Taorian'izay moa dia niitatra tamin'ny faritra maro be manerana ny nosy ilay izy.
TOMBATOMBANA NO BETSAKA
Tsy nisy hatreto aloha fanazavana ofisialy avy amin'izay fitondram-panjakana rehetra nifandimby teo hoe fa inona marina no mahatonga ny olona hamaky fasana sy hangalatra taolam-paty. Ny hany re dia hoe misy mividy lafo ireo taolan-dava. Fa tsy mbola fantatra kosa hoe vidiana lafo dia atao inona moa ? Maro ny resabe sy tombatombana, eo ny hoe aondrana any ivelany fa anisan'ny akora hanamboarana ireo karazan-javatra ampiasaina amin'ny fikolokoloana tarehy sy vatana. Misy feo milaza indray fa hoe arendrika dia atao fitondrama volamena na vato sarobidy na rongony ny taolana satria tsy tateraky ny taratry ny scanner hono. Ao koa anefa ny milaza fa hoe fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny io . Tombatombana no betsaka fa tsy tena misy fanadihadiana lalina vita ka hoe nampahafantarina ny daholobe ny valiny. Tahaka ny resaka dahalo ihany e !
RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap