airtel

Fandriampahalemana

20-juin-2024

Fandriampahalemana

VANGAINDRANO Avotra ilay zazalahy kely varira nisy naka an-keriny

Sample post image

Tsy mitsahatra ny mifofo ny ain’ireo ankizy manana toe-tena varira eto amintsika jiolahy.

20-juin-2024

Zazalahy kely vao 8 taona monja indray no fantatra fa nalain’ny jiolahy ankeriny tany Vangaindrano afak’omaly Talata 18 Jona. Avotry ny mpitandro ny filaminana soa aman-tsara anefa izy io omaly ary efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia Polisy nanao fanamiana sivily no nasaina nifampiresaka tamin'ireo mpaka an-keriny fa hividy ilay zaza. Nanome fotoana sy toerana ireo jiolahy hanaovana ny takalo. Efa niomana anefa ireo Polisy tamin’ilay fotoana ka rehefa tonga tamin'ny toerana voatondro tao amin'ny kaominina ambanivohitr’Anilobe, distrikan'i Vaingandrano izy ireo nosamborina avy hatrany ny dahalo iray sy ny vehivavy iray hita tao amin'ny tranon'ireo mpaka an-keriny. Manambara ombieny ombieny moa Atoa Fulgence filohan’ny Fikambanan’ireo olona varira eto amintsika fa tsy misy vatosoa izany na volamena any anatin’ny mason’ireny olona varira ireny noho izany tokony hatsahatra ny fampahoriana sy ny fakana an-keriny azy tahaka izao.
Pati
Legende : Ity avokoa soa aman-tsara eny an-trotroan’ny mpitandro ny filaminana ity ilay zazalahy kely tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap