airtel

Fandriampahalemana

16-août-2024

VAZAHA NAMONO NY VADINY

Nalefa eny Tsiafahy naka saina

Sample post image

Lehilahy tera-tany vahiny iray manodidina ny 60 taona eo ho eo no fantatra fa nalefa naka saina eny Tsiafahy

16-août-2024

taorian’ny nahafatesam-badiny, tovovavy kely vao 31 taona monja, maty nitsilany teo ambony seza. Teny Anjomakely, Kaominina Bongatsara no nisehoan’izany ny 10 aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Olon-tsotra teo an-tanana no niantso ny zandary ao Andoharanofotsy momba ity teratany vahiny ity izay fantatra fa nanakorontana teo an-tanàna tamin’io fotoana io. Mbola tratra teo am-panakorontanana mihitsy moa ity lehilahy lehibe iray ity izay efa hita fa mamo. Nilaza ny tenany nandritra izany fa maratra ao an-tranony ny vadiny ka mila vonjy. Rehefa nojerena anefa dia efa tsy nisy aina intsony ilay Ramatoa izay nahitana tsindrona zava-maranitra teo amin'ny foto-peny ary nijininika ny rà.Tsy nisy afa-tsy izy mivady anefa no tao an-trano tamin'ny fotoana nahavoa ilay vehivavy ka izay no antony nahatonga ny ahiahy nipetraka tamin-dRalehilahy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap