airtel

Fandriampahalemana

22-oct-2024

VEHIVAVY MPISOLOKY TSY FANTA-PIAVIANA

Nentiny nitsoaka ny zana-badiny, nitakiany 3 tapitrisa Ar

Sample post image

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

22-oct-2024

eny Analakely teny izy roa no nifankahita ary samy manana zanaka iray avy. Vavikely 7 taona zanaky ny vavy raha 8 taona kosa ny zanaky ny lahy. Tany Arivonimamo izy 4 mianaka kely no nipetraka. Loza anefa fa nivadika ilay Ramatoa ny Zoma 20 Septambra teo.Nalefa haka vola tany Mahitsy ravehivavy ka nentiny avokoa ireo zaza roa ireo. Roa andro taty aoriana tonga nitaraina teo anivon'ny borigadin’Ambatomirahavavy ilay lehilahy fa tsy hita ilay Ramatoa vadiny niaraka tamin’ny zanany no sady mbola nitaky 3 tapitrisa Ar taminy ihany koa. Tsy tratra antso intsony ihany koa izy. Ny 02 Oktobra lasa teo dia fantatra fa nivahiny tao amin’ilay Rangahy vadiny taloha ity Ramatoa ity niaraka tamin’ireo zaza roa nentiny nitsoaka. Nandritra ny herinandro no nitoerany tao dia nanjavona indray izy. Ny 17 Oktobra teo fantatra fa hita tany Foulpointe ialy zazalahy kely 8 taona zanak’ilay Rangahy. Naterin’olona tao amin’ny borigadin’i Foulpointe izy ary naterina hotazonindry masera. Tsy mbola hita moa io vehivavy io sy ilay zanany hatramin’ny fotoana nanoratanay ny vaovao omaly. Ny tena nampalahelo sy nahasorena tamin’ity tranga ity dia tsy fantatr’ilay Rangahy akory ny anaran’io vadiny io feno. Toraka izany koa ireo rafozany sy ny tena fiavian’ireto farany nefa dia niray trano sy nivady tao izy ireo.
Pati
Legende : Efa tafaverina eo anilan’ny Rainy ity zaza ity rehefa nentin’ny Renikely nitsoaka !
 

Dans la même rubrique