airtel

Fandriampahalemana

21-juin-2024

Vela-pandrika avo lentan’ny jiolahy

Mpitsara saika hividy fiara novonoina sy nalevina antsokosoko

Sample post image

Tsy hita ary nifampitadiavana nanomboka ny 5 jona lasa teo ny Mpitsara Rakotondravony Henri, « subsitut général »

21-juin-2024

na Mpisolo Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga, eo anivon’ny Fitsarana ambony na ny « cour d’appel »’ ao Mahajanga. Ny fatiny sisa no hita omaly teto Antananarivo Renivohitra. Efa nalevin’ireo olon-dratsy ny razana vao hita sy nofongarina, ary efa potika tanteraka, izay nofongarina ny alin’ny alarobia teo. Tsy hay nojerena intsony ilay vatana mangatsiaka noho izy efa simba, hoy ny fanamarihana. Natao fizahana ao amin'ny tranom-patin'ny HJRA ary hiala ao, ny sabotsy izao, hoentina any Befotaka Avaratra Faritra Sofia. Raha ny fanazavana vonjimaika dia niakatra taty Antananarivo ny tenany nanaraka ireo voka-pifidianana nakarina taty amin’ny foiben’ny CENI ny 03 jona amin’ny maha Filohan’ny SRMV azy. Taorian'izay, izany hoe ny 5 jona, dia, taorian’ny fahavitan’ny asany teny amin'ny CENI, dia voalaza fa nanararaotra nijery fiara ho vidiana ny tenany, izay voalaza fa vao avy nivarotra ny fiarany ary efa nivonona ara-bola hividy solony. Voalaza ho niaraka nanao andrana tamin'ireo mpivarotra izy, ka toa hoe : "Porsche Cayenne" ilay fiara ary teny Atsimondrano teny ny toerana notondroin'ny valin'ny fitsirihana nanarahana ny lala-nomban'izy ireo, hoy ny mpampahalala vaovao iray omaly. Hatreto, tombanana ho tratry ny vela-pandrika avo lent aizy, ka ny vola tany aminy no antony namoan'ireo olon-dratsy nilaza ho mpivarotra fiara azy. Nilaza hijery fiara hovidiana izy taorian’izay ary nanomboka teo no tsy hita sy tsy nandrenesam-peo intsony, ary dia izao hita faty nisy namono sy nandevina izao. Olona 2 hatreto no tra-tehaky ny Polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, etsy Anosy. Ireo no nanoro ny toerana nandevenana an'ity mpitsara ity.Naneho fiaraha-miory sy nirary fiononana ho an’ny fianankavian’Itompokolahy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisitera. « Enjehin'ny lalàna manan-kery eto amin'ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara ny famonoana olona. Noho izany, ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay tarihin-dRamatoa Ministra dia manameloka tanteraka ny famonoana ho faty ny mpiara-miasa izao. Mihatra ho an'izay meloka ny lalàna ary mandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitsarana », hoy ny fampitam-baovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha !
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap