airtel

Fandriampahalemana

06-août-2024

Vonjy taitra eny ifotony

Mampihena tsy fandriampahalemana ny «Quartier mobile»

Sample post image

Eo ambanin’ny fiahian’ny zandarimariam-pirenena ny antsoina hoe kartie mobily na

06-août-2024

Quartier mobile», hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Imerintsiatosika. Nomena fiofanana nandritry ny herinandro ireo «Quartier mobile» miisa 200 mahery eo ao an-toerana, hoy ny fanazavana nandritry ny fampahafantarana azy ireo am-pahibemaso tao amin’ity kaominina ity. Ireo zava-mateti-pitranga eny amin’ny fiarahamonina toy ny vaky trano, adin’ny mpivady, ny siosion-dresaka mikasika ny mety ho fisiana fanafihan-daholo na famoahana omby am-pahitra, izany hoe ny resaka vonjy taitra rehetra izany no tena adidin’ireo kartie mobily ireo. Entanina hanao tantsoroka azy ireny moa ny fianakaviana miantso azy ireny na ny fokonolona ihany koa rehefa mba misy, ohatra, famadihana na hetsika ilàna fitandroana filaminana. Na amin’ny andavan’andro aza dia antsoina andro dia andro, alina dia alina izy ireny ary efa misy moa ireo fokontany manao fifampitondrana hoe isaky ny fotoana tahaka an’izao isika dia manome fotsim-bary tahaka an’izao azy ireny, ny anjaran’ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, dia ny manome fanamiana sy ny resaka tambin-karama na izay ilaina hafa, araka ny fomba fitenenana hoe ny herikerika maha tondra-drano. Somary nangingina, hoy izy, io resaka kartie mobily io teo aloha teo satria variana nanao fotodrafitrasa izahay. Nisy tamin’izy ireo koa nindaosin’ny fahafatesana na tojo tsy fahasalamana na niha lehibe ara-taona dia tsikaritra tao anatin’izay fa lasa nitombo hatramin’ny hala-boty. Rehefa niverina nahetsika indray ireo kartie mobily dia somary niha lefy izany. Nahitàna fihenany ny tsy fandriampahalemana na madinika io na vaventy teto Imerintsiatosika raha nahatsikaritra ianareo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap