Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Anisan’izany ny haintany ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Eo koa ny tondra-drano nahafatesana olona maro na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra ankoatra ny vono olona ankitsirano toy ny nahazo ny olom-boafidy iray izay tanora vao herotrerony tokoa. Farany izay tsy kely hoy ity Pastera ity dia ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina izay tena mampitaraina ny maro. Ao amin’Andriamanitra ihany no misy ny vahaolana faratampony hoy hatrany izy ka mety sy tsara raha samy mitodika amin’Andriamanitra ny rehetra. Fotoanan’ny fahagagana hataon’Andriamanitra rahateo izao raha ny nambarany. Nandefa hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tenany ny amin’ny tokony hanaovana fotoam-pivavahana hangatahana famelana ho an’ny firenena mba hilaminan’ny fiainan’ny Malagasy tsy vaky volo.
Pati
Legende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana ny oloko !
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina