airtel

Fifamoivoizana

26-sept-2024

Afera sambo Francia 3 nahafatesana olona 88

3 taona aty aoriana vao tratra ny tompony sady mpanamory

Sample post image

Aty amin’ny 3 taona latsaka taorin’ny nitrangan’ilay loza an-dranomasina goavana

26-sept-2024

indrindra niseho teto Madagasikara ny desambra 2021 vao tratra ilay tompon’ny sambo Francia 3 sady mpanamory. Raha tsiahivina, ny 20 desambra 2021 no rendrika ity sambo Francia 3 ity raha niainga avy any Mananara Avaratra niazo an’i Sonierana Ivongo. Nitondro olona manodidina ny 130 ka ny 88 tamin’ireo dia maty avokoa. Taorian’ny loza, tsy hita popoka ary nokarohana i Franc Antonio Norbert izay tompon’ny sambo sady mpanamory izany, ka ny 24 septambra lasa teo vao tratran’ny zandarimaria tao Sonierana Ivongo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Mbola mitohy ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha, raha ny fanamarihana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap