airtel

Fifamoivoizana

19-août-2024

Ambatofinandrahana

Ankizy 3 mianadahy maty voatsindrin’ny entana

Sample post image

Ankizy telo mianadahy nahitana zazalahy kely miisa roa samy 12 taona sy zazavavy kely iray 8 taona

19-août-2024

no voalaza fa maty voatsindrin'ny entana rehefa nitaingina kamiao. Vokatry ny fivadihan’ilay fiarabe mpitondra entana tany Andimaka Manavotra, kaominin'Amboropotsy, distrikan' Ambatofinandrahana no nitrangan’izany ny Alakamisy maraina teo. Mpandeha miisa 15 hafa koa no fantatra fa naratra. Voalaza fa olana teo amin'ny vitesse no nahatonga ny loza.Nitondra vary sy voanjo milanja 11 taonina, niampy mpandeha am-polony avy any Mandrosonoro ho any Ambositra moa ity Kamiao ity no izao tra-doza tampoka izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Tsy iraitampo kosa hoy ny vaovao fa ankizy samihafa ireo telo namoy ny ainy ireo. Tsiahivina fa vokatry ny haratsian-dalana eto amintsika dia marobe ireo toerana tsy tongan’ny taxi-brousse, antony hisian’ny kamiao mpitatitra entana lasa mitondra mpandeha tahaka izao.
Légénde : Telo mianadahy no maty voatsindron’ny entana teto Ambatofinandrahana (Tahirin-tsary)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap