airtel

Fifamoivoizana

18-févr-2025

AMBOHIBARY ANOSIBE

Toy ny namboarina mba hopotehina ny lalana

Sample post image

Toy ny namboarina mba hopotehina tanteraka ny lalana avy etsy Anosibe miazo an’Ambohibarikely,

18-févr-2025

Fokontany iray ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra. Nivadika ho fotaka mena malama mandratra olona no sady tsy azon’ny fiara madinika hampiasaina intsony mantsy ilay lalantany efa mba nifatratra teo aloha. Taorian’ny namefena ny lakan-dranon’Andranolava no nisian’izany miampy ny ranon’orana tsy miato amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Na ireo fiara 4x4 aza mila tsy ho afakahanakivaky ity lalana ity intsony. Ireo mponina indray miakatra amin’ilay fefy rarivato manakana ny ranon’Andranolava tsy hihoatra no mandeha fa raha tsy izany dia mihitsoka tanteraka ao an-tokantranony. Velon-taraina avokoa vokatr’izany ny mponina. Raha ny fampanantenana nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ity lakan-drano sy lalana ity mantsy dia hatao tara ilay arabe ary omena endrika toy ny etsy amin’ny Marais Masay mihitsy ny tananan’Ambohibarikely. Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin’izay no mitranga ankehitriny. Manampy trotraka ny haratsian-dalana ny mbola fisisihan’ireo posy sy sarety mpitatitra entana mampiasa iny lalana iny na dia efa hirobohany fotaka mena hatrany an-dohalika aza.
Pati
Legende : Lakana no tena miasa eny Anosibe ambohibarikely amin’izao !

 

Dans la même rubrique