airtel

Fifamoivoizana

16-juin-2023

Fifamoivoizana

Ambohimanarina Nentin’ilay taxi moto nitsoaka ny poketra sy ny volan’olona

Sample post image

Vehivavy iray nandeha niasa alina indray afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 10 ora no lasibatry ny mpitondra taxi moto.

16-juin-2023

Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity tamin’io fotoana io. Rehefa nahatazana barazin’ny Polisy teo Antanetyanefa ilay mpitondra taxi moto dia nasainy nidina aloha ilay vehivavy mba hialana amin’ny fisavan'ny Polisy. Rehefa nidina ilay moto ilay vehivavy, tonga dia nitsoaka nirifatra niaraka tamin'ny poketran'ity farany ilay taxi moto izay poketra misy finday sy vola mitentina 90.000 Ar ary karatry ny banky. Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay niharam-boina ka niroso tamin'ny fisamborana iretsy voalohany. Tsy lasa lavitra moa ilay mpitondra taxi-moto dia tratra. Fantatra tamin'izany fa tadidin'ilay vehivavy voaendaka ny endriky sy ilay moto nentiny ka voaporofo tanteraka ilay tranga.
Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka niaraka tamin’ilay taxi-moto nentiny
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap