airtel

Fifamoivoizana

04-juil-2024

AMPASIMAZAVA TOAMASINA

Lehilahy nitondra vehivavy lolo tamin’ny moto

Sample post image

Misy zavatra tsy hay hazavaina sy tsy fantatra foana eny anivon’ny fiarahamonina

04-juil-2024

raha vantany vao tonga ny alina. Lehilahy iray nitondra moto nandalo teo Ampasimazava no nisy nisakana afak’omaly alina tao Toamasina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Avy niasa io lehilahy io raha ny vaovao azo ary sokanana tovovavy iray izay heveriny ho tratra alina tahaka azy ihany koa. Niangavy taminy mba haterina eny Mangarano io tovovavy io no sady niangotingoty fatratra taminy. Babo sady nangoraka ny anaolahy noho izany ka dia nitondra tokoa. Rehefa tonga teo amin’ny Saint Paul anefa ny anaolahy dia nitodika nijery ilay tovovavy taoriany. Efa tsy tao intsony nefa ity farany no sady tsy henony akory ny nialany hoy ny vaovao. Nijanona naka sisiny ilay lehilahy naka saina vokatr’izany ka saika tsy tonga tany an-trano avy eo noho ny tahotra.
Pati
Legende : Raha tsy lasibatry ny lolo dia hataon’ny jiolahy mahita ireo mitondra moto amin’ny alina !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap