airtel

Fifamoivoizana

06-juin-2024

Antananarivo renivohitra

Ho tapaka indray ny lalana

Sample post image

Ho tapaka indray ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra ny lalana maromaro eto

06-juin-2024

an-drenivohitra ny zoma 7 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora maraina, taorian’ny efa fanapahana izany nandritr’ilay hetsika Look race niteraka resabe ho nivoy fihetsika mamoafady ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fananganan-tsaina manoloana ny lapan'ny tanàna Analakely na «Parvis» ho mariky ny fanokafana ny fankalazana ny 26 jona kosa no voalaza fa anton’ity fanapahan-dalana manaraka ity. Isan’ny ho tapaka ny eny amin’ny Araben'ny fahaleovantena, miainga eo amin'ny Gara Soarano hatreo amin'ny Tripolitsa Analakely. Ny lalana Andriamasinavalona manoloana ny tranombarotra Tia Com. Ny lalana Andriantsilavo, mitsofoka amin'ny kaomisaria boriborintany voalohany. Noho izany, ho an'ireo fiara rehetra avy any Ambohijatovo hihazo an'Analakely dia mandray ny lalana Rabefiraisana (Pietra/Naza) ary manohy ny lalana mahazatra azy mandra-pahavitan'ny lanonana, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly. Efa iaraha-mahalala moa ny fahasahiranana amin’ny resaka fifamoivoizana eto Antananarivo isan’andro kanefa dia mitohy miampy fanapahan-dalana matetika toy izany hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap