airtel

Fifamoivoizana

17-juin-2024

Antananarivo renivohitra

Nogiazana ireo kodiaran-droa tsy nanara-dalàna

Sample post image

Nogiazana avokoa ireo kodiaran-droa na «moto» tratra tsy nanara-dalàna

17-juin-2024

tetsy an-dohan’Analakely, izay nanombohana ny hetsika «Dona» eto Antananarivo renivohitra ny sabotsy maraina teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tao ireo tsy nanao aroloha sy nanao taingim-be ary nitondra taratasy tsy ampy. Natao hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna ataon'ny mpitondra kodiaran-droa ity hetsika ity, hoy ny fanazavana. Haharitra 5 andro ny hetsika, izay natao mba hisorohana ireo loza mety hitranga vokatry ny tsy fanarahan-dalàna, raha ny fanazavana hatrany. Tetsy ankilany, dia maro tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa no tsy nanam-po ity hetsika ity. Isan’ny fanehoan-kevitry ny sasany tamin’izy ireo moa ny hoe ekena fa tokony arahana ny lalàna fa tena lafo koa etsy ankilan’izay ny filàna rehetra ahafahana manaja izany. Ny vidin’ny aroloha iray fotsiny no efa mananika ny 50.000 Ariary. Manginy fotsiny ny alafon’ny fikarakarana sy fikojakojana samihafa hatramin’ny vidin-tsolika. Mbola asa koa izao izay hitranga rehefa haka ireny «moto» ireny, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap