airtel

Fifamoivoizana

24-févr-2025

ANTANIMENABE AMPITATAFIKA

Nifatratra tany amina fiara hafa ilay 306 nisongona moto

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny teboka kilometrika 8 kms sy 400 Antanimenabe Ampitatafika,

24-févr-2025

lalam-pirenena voalohany afak’omaly Sabotsy 22 Febroary tokony ho tamin’ny 10 ora alina latsaka. Fiara Peugeot 306 iray no nisongona kodiaran-droa ka nifanehitra tamin’ny fiara Renault Kangoo izay nifanena taminy. Samy naratra avokoa ireo olona miisa 5 tao anatin’ireo fiara roa ireo vokatr’izany. Toraka izany koa ny mpamily ka voatery nentina nanatona ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Manentana ny mpamily mba samy hitandrina araka izany ny zandarimariam-pirenena. Mihena mantsy ny taham-pahitàn'ny mpamily rehefa avy tahaka izao ny orana. Malama koa ny lalana. Samy tsy mahatakatra lavitra ny jiro tifi-davitry ny fiara ka tokony samy handeha amin’ny hafainganam-pandeha antonony ny mpampiasa lalana.
Pati Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara !

 

Dans la même rubrique