airtel

Fifamoivoizana

18-sept-2024

Asa vaventy sy fanamboaran-dàlana

« Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina »

Sample post image

Nihaona tamin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy notarihin’ny Minisitra Rafidison Richard Theodore sy ireo mpiara-miasa aminy ny Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina omaly.

18-sept-2024

Navoitra tao anatin’ny tatitra ny fanafamafisana fa mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy io Vondrona io. Tsiahivina fa nanamaloka ny fifandraisana ny tsy fankasitrahan’ny fitondrana ankehitriny ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha, ka nangatahana fanoloana. Nodinihin'ny roa tonta kosa omaly ny handrindrana ireo tetikasa mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny fanamboaran-dàlana izay isan'ny vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy izany, indrindra ny fanamboarana ireo làlana any ambanivohitra mifandray amin’ny lalam-pirenena mba hanamorana ny famoahana ireo vokatra sy mba tsy hampitoka-monina ireo kaominina lalovan’izany, araka ny seraseram-panjakana. Teo ihany koa ny fijerena ireo ireo tetikasa marobe izay volavolain’ny MTP toy ny fanarenana ny RN6, sy ny fanamboarana ny RN13,... Tsara anefa no mampahatsiahy, fa isan’ny nanaovan’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha fanamarihana sy fanontaniana ny mikasika ny tsy fanjarian’ireo tetikasa, toy ny fanamboaran-dàlana izay 15 na 25 taona ohatra ny fifanarahana fa tokony haharetany kanefa 5 taona dia potika. Tahaka izany ihany koa ny nanehoan-dRtoa Isabelle Delattre tamin’izany fa tsy mazava ny fitantanana ny volan’ny Fonds Routiers na ny FR. Nanaovan’ny fitondrana serasera mafy ny hanafainganana ireo asa fanamboarana sy fikojakojana làlana, saingy nanamafy ny efa nambarany herintaona lasa ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Atoa Hajo Andrianainarivelo fa ny Filoha sy ny Praiminisitra no isan’ny nanao sakana tamin’ny tsy fahafahana mamoaka vola, kanefa ny antso tsenam-baro-panjakana atao. Isan’ny departemanta nisolo minisitra im-betsaka ny asa vaventy ka andrasana indray izay hafitsoky ny Minisitra ankehitriny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Mpitondra kodiaran-droa miisa 2 no indray niara-namoy ny ainy tany Antsirabe, Atsimon’Ampihaviana,

Card image cap
18-sept-2024

Tsy mitsitsy intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fidinana ifotony mitily ny tahan’alikaola anatin’ny vatan’ireo

Card image cap
18-sept-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Mahatsinjo,

Card image cap
16-sept-2024

Nanome toromarika ireo mpitondra taximoto any amin'ny kaominina ambanivohitra ny zandarimariam-pirenena

Card image cap