airtel

Fifamoivoizana

03-juil-2024

« Autoroute » 25km hatramin’ny faran’ny taona

Lalaovina handrendrehana saim-bahoaka indray

Sample post image

Niverenana nanaovana fihetsiketsehana indray ny fanamboarana ny làlana Autoroute mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

03-juil-2024

Nitsidika ny ambara fa fivoaran’ny asa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 02 jolay, roa taona taorian’ny nametrahana vatofototra efa nisiana lanonam-be teny Talatan’i Volonondry ny 03 desambra 2022. Tao anatin’izany no nilazan’i Andry Rajoelina indray, fa ao anatin’ny fanovana sy ny fampandrosoana tanteraka isika ankehitriny. Tsy maintsy ho tanteraka ary tsy maintsy ho vita ity « autoroute » ity, hoy izy nilaza fa hanova tanteraka an’i Madagasikara sy ny endriky ny Firenena io.

25 KM HATRAMIN’NY FARAN’NY TAONA INDRAY
« Tena « vraie autoroute 2x2 voies » miainga eto Antananarivo hatrany Toamasina ny làlana, miaraka amin’ny « zone de dégagement », « aires de repos » afaka ilalaovana sy hialana sasatra, ka rehefa manao dia zavatra tsara fa tsy petatoko », hoy i Andry Rajoelina. Nambara fa efa hanomboka ny dingana amin’ny fandrakofana tara, ka 25km no heverina fa ho vita hatramin’ny faran’ity taona ity, ary amin’ny 2027 ho heverina hahavitan’ny tetikasa tanteraka. Ny desambra 2022 moa no efa nampanantenana fa tsy maintsy ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023 ny dingana voalohany 80km. Nambaran’i Andry Rajoelina fa ny RN 2 adin’ny 10 raha haingana indrindra ary adin’ny 12 mihitsy aza raha fiara kelikely satria 370km Antananarivo-Toamasina, fa ity 260Km. Raha mandeha 105 isan’ora eo dia vita adin’ny 2 sasany. Mandeha mafy be, mandeha tsara, mirifatra be ary tahaka izany. 600 dolara eo Toamasina Antananarivo, fa hidina hatrany amin’ny 400 dolara, afaka manao 3 voyages. Raha 60L ny fandanian’ny fiara amin’izao makany Toamasina, dia lasa 25L raha 10L/10km, ka 40% ny fihenan’ny fandaniana, hiteraka fidianan’ny vidim-piainana, hiroborobo ny toekarena, hiroborobo ny fizahantany, ny Miami efa vita, ho avy amin’ny herinandro ny mpiara-miombon’antoka hanangana hotely kintana 5 goavana ao Toamasina, hoy i Andry Rajoelina.

DISO FANAMBY, SERASERA ISAKY NY MIHETSIKA
Efa zary fanaovana fihetsiketsehana sy fanaovana serasera isaky ny miodina ity « autoroute » ity izay efa ny taona 2021 no nampanantenaina fa tsy maintsy hanomboka, ny 2022 nametraka vato fototra fa hiasa ny orinasa Ejiptianina Samcrete, dia tao nandritra ny 2023, kanefa nisy resaka famoahana vola 301 miliara Ar aza tsy fantatra mazava hoe ahoana ? Maro ihany koa ny taraina sy menomenona avy amin'ny mponina very tany sy fananana. Dia aty amin’ny 2024 fohazina kely indray ny kely vita mba hanaovana lanonana sy serasera, tahaka ny efa natao tamin’ny RN13 ihany. Holalaovina sy hanaovana serasera ao anatin’ny taom-piasana hatramin’ny 2028 izany ity resaka « autoroute » ity hilazana fa tena miasa ny Fanjakana ? Ny zava-dehibe aloha, dia misy izany ny asa atao, izay marihina fa nisy fanovana indray ny zotrany raha serasera omaly, ka hampandalovina tendrombohitra, fa tsy handalo tanimbary. Rehefa zohiana dia tsy tena « Autoroute » tahaka ny fahita any ivelany izy ity. Mbola resaka hafa ny hoe : tena hahavita an’io ve ny 924 tapitrisa dolara sa arakaraka izay vola izay ny kalitaony?

MANADABO VAHOAKA
Raikitra tampoka izy ity, andro vitsy taorian'ny fivoahan'ny vokatra ofisialin'ny fifidianana solombavambahoaka. Tonga teny avokoa ireo lohandohan'ny mpisorona ao anatin'ny fitondrana volomboasary ary samy nanezakezaka nanao serasera amin'ny facebook milaza indray fa hoe miroso tsara ny asa fa aza manaiky fitahana. Iza moa no tena mpamitaka, ny milaza ny zava-misy sy marina misy sary hoe io fa mikatso ilay fanamboarana ary tsy misy izany 80 km vita desambra 2023 izany, sa ireo nampanantena tsy misy dia aty amin'ny jolay 2024 vao hoe miroso tsara ny asa ? Raha asa natomboka fiandohan'ny volana novambra 2022 marina ve dia faran'ny taona 2024 vao hoe ho vita "goudron" ny 25 km ? Rehefa tena dinihina ny raharaha dia fihetsiketsehana ara-tserasera natao indray handrendrehana ny saim-bahoaka mba hanadinoany ny fahasahiranana isan'andro, mba tsy hahatsiarovany ireo tsy fahatomombanana marobe nandritra ny fifidianana sy mba hanjanahana ny sainy hoe miasa anie ity fitondrana ity ee...Eny , lazaina fa niasa be foana nanomboka ny taona 2019, saingy ny zava-misy aloha dia nitombo isa ny malagasy mahantra sy iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka,...
Toky R sy RTT

 


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap