airtel

Fifamoivoizana

30-sept-2024

« Autoroute » mandalo

an’Ambohimanga Rova Mitaraina noho ny hanotorana tanimbary 170 ha ny tantsaha

Sample post image

Mikorontana ny fokonolona anatin’ny fokontany miisa 22 ao amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova

30-sept-2024

ankehitriny noho ny resaka fanotorana tanimbary hanaovana ny tetikasa lalam-be migodana na « Autoroute ». Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo tao Antsahakely omaly, nanamafy ny ahiahiny satria eo amin’ny 170 ha eo ny tanimbary ambaran’ireo tantsaha fa hototofana, kanefa tena mamokatra hatrany amin’ny 90%, hoy izy ireo. Rehefa nanontaniana mikasika ny hoe : manao ahoana ny fanonerana moa ny mponina nampita vaovao, dia nilaza fa tsy mazava ny resaka, kanefa amin’ny 11 oktobra lasa teo no handeha ny tetikasa. « Milaza efa nanao fampilazana ny kaominina fa efa nanaiky daholo ny fokonolona kanefa tena maro no tsy mahalala, fa dia hanaovana bontolo fotsiny », hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ny herinandro lasa teo, efa nisy ny fametrahana « piquet » ka rehefa miteny ny fokonolona, dia famoretana no atao satria dia efa nandefasana zandary miisa 4 nirongo fitaovam-piadiana, hoy hatrany ny fitarainana. Asa inona no mety hataon’ny Fanjakana izay tompon’ny tetikasa sy manana ny fahefana eo anatrehan’ny zava-misy satria isan’ny ventesina ihany koa ny fahavitan-tena ara-bary ?
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap