airtel

Fifamoivoizana

25-févr-2025

BEHENJY AMBATOLAMPY

Taksibrosy Crafter nisongona dia nivadika any an-kady

Sample post image

Manao ranolava ny lozam-pifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena fahafito.

25-févr-2025

Fiara crafter iray indray no tra-doza afak’omaly Alahady 23 Febroary tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany folakandro teo amin’ny PK 46+100 , Antanimenabe kaominina ambanivohitr’i Tsarafara Behenjy Distrikan’ Ambatolampy. Niainga teto Antananarivo hiazo ny Faritra Atsimo Atsinanana io fiara crafter io, avy ao amin’ny koperativa Kofmad, nentina mpamily iray 49 taona. Tao anaty fiolanana izy no nikasa hisongona fiara tsotra sy semi-remorque izy saingy nisy fiara nifanena taminy. Voatery nisisika mafy teo alohan'ilay semi sy ilay camion hifanena taminy izy vokatr’izany mba tsy hifanao katro-doha . Indrisy anefa fa nikasoka tamin'ilay camion teo alohany ihany ilay crafter nentiny ka tsy afaka mijanona tampoka. Nivarina tany an-kady vokatr’izany izy ireo. Olona miisa 5 no naratra izay nahitana zaza vao 9 taona monja avy ao Bekatra Manakara. 67 taona kosa no zokiny indrindra raha 61 avy ny 2 ambiny niampy ilay zatovo iray vao 30 taona monja. Efa manaraka fitsaboana ao amin'ny CSB II Behenjy avokoa moa ireo naratra hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay taxi-brousse ! Santionany tamin’ireo naratra !

 

Dans la même rubrique