voadonan’ny fiara tsy fantatra teny amin’ny By Pass ny harivan’ny 25 Jona teo. Olona teny amin’ny manodidina ihany no nahita io tovolahy io efa nitsirara tsy nahatsiaro tena ka nanatitra azy teny anivon’ny hopitalim-panjakana CHU HJRA Ampefiloha. Voatery noraisina an-tanana ao amin’ny sampana vonjy aina ity tovolahy ity noho izany. Ny hopitaly avokoa no mandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy. Raha ny loharanom-baovao azo dia ny lohany no tena voa amin’ity tovolahy iray ity. Miantso izay mahalala azy sy ny fianakaviany araka izany ireo mpitsabo eo anivon’ny hopitaly HJRA mba ho avy hijery sy hikarakara azy eny an-toerana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny manjo ilay tovolahy nodomin’ny fiara teny amin’ny By Pass !
Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona