airtel

Fifamoivoizana

16-août-2024

Distrikan’i Manjakandriana

«Laharam-pahamehana ny fikojakojana lalana»

Sample post image

Tsy misy teritery fa resaka fahavononana no naharesy lahatra anay solombavambahoaka hanao

16-août-2024

fanambaram-pananana teny Ambohidahy, hoy ny depiote voafidy tao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina. Ny teny nomena na «engagement» amin’ny maha solombavambahoaka, hoy izy, tsy maintsy atao. Izao hariva izao (TTF:omaly hariva) izao ny tenako dia andeha hamonjy ny kaominin’Ambohibary. Izao moa no tapaka ny hoe asiana mpikarakara mandava-taona iny lalan-tany miditra an’i Manjakandriana mandalo an’Ambohibary hatrany Andranovory iny. Efa misy manao izany fikojakojana mandavan-taona izany izao ny lalana mampifandray an’Ankazondandy sy Ambohidratrimo an’ala. Izay no hitarina manerana ny distrikan’i Manjakandriana ary inoana fa azon’izay mahita izao fampitam-baovao izao atao manerana an’i Madagasikara koa izany. Izao izany dia nifampitaona fanindroany indray ny tao amin’ny kaominin’Ambohibary. Ny tapaka tamin’ny fivoriana voalohany dia ry zareo mihitsy no nafana fo hoe mitadiava fitaovana na «engin» fa izahay vonona hiantoka izay hampandeha izany tetikasa izany. Niantso ny governoran’Analamanga moa ny tenako dia nampanantena hanome izany «engin» izany izy ka hisaorana azy. Izaho manokana moa dia ao amin’ny distrika nahalany ny tenako foana no manao zavatra raha misy tokony atao. Laharam-pahamehana izao ny fikojakojana ireny lalan-tany mampifandray ny mponina ireny mba ho vita mialohan’ny hilatsahan’ny orana. Efa natao izany tao amin’iny kaominin’Imerinkanjaka iny. Atsy ho atsy koa ny an’ny kaominin’i Sadabe, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap